Lanonana maro sosona ny no notanterahana teto amin’ny ENIAP ny faha 19 sy faha 20 ny volana septambra 2024. Niantomboka tamin’ny fitokanana fotodrafitrasa izay misy ny navaozina ary misy kosa ny vao naorina ary ireto avy izany : Kianja filalaovana basketball vaovao sy fanavaozana hefitrano fianarana izay fiaraha-miasa tamin’ny BOA Madagascar,  Ny toeram-pitsaboana izay fiaraha-miasa tamin’ny Banque Société Générale ary koa ny « chalet d’attente » izay natolotry andiany MANDA sy ny maro hafa . Ny Alakamisy  19 Septambra 2024 no natao izany fitokanana izany izay notarihin’Andriamatoa  Minisitry ny Filaminam-bahoaka ny Controleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala. Ny zoma 20 Septambra 2024 kosa no notanterahina ny lanonana famoahana amin’ny fomba ofisialy ny andiany SANDRATRA teto amn’ny ENIAP.Lanonana izay notarihin’Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian. Izany dia nialohavan’ny fanokafana ny takela-pahatsiarovana ny faha roampolo taona nisian’ny sekoly ENIAP ary koa ny fitokanana ireo fotodrafitrasa vaova avy amin’ny Fitondrampanjakana izay nisy trano fisakafoanan’ireo mpiantra, trano fatoriana ary trano fianarana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *