Nanomboka anio faha 8 ary tsy hifarana raha tsy ny faha 29 Jolay 2026 ny fanomanana ireo mpampiofana eo anivon’ny Sekolimpirenena manofana ho Inspecteurs sy ho Agents de Police (ENIAP) Antsirabe.
Ny fandaharam-potoana mandritra izany fiomanana izany dia hiompana amin’ny fanomanana ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy.
Ny tanjona amin’izany fiomanana izany dia ny hananana mpampiofana vonona sy vanona ary ampy traikefa amin’ny fandraisana ireo mpianatra ho polisy vaovao izay hiditra ny Sekoly ny 01 Aogositra ho avy izao.

