Fanazarantena iraisana niarahan’ireo Mpianatra avy amin’ny « Ecole Nationale Supérieure de Police » (ENSP) sy ny Mpianatra eto anivon’ny « Ecole Nationale des Inspecteurs et Agents de Police » (ENIAP) ny faha 26 ka hatramin’ny 30 May 2025 lasa teo. Izany moa dia teo ambany fiahian’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka ary notarihin’ny Talen’ny Sekoly roa tonta.

Nisy moa ny fiaraha-miasa tamin’ny « Expert technique  » frantsay sy ireo Mampiofana malagasy tamin’ny fanantanterahana izany.

Anisan’ny tanjona ny fanamafisana sy fampitombona ny fahaizamanao izay takiana amin’ireo Mpianatra, ary koa ny fampiroboroboana ny firaisankina ary ny fampitoviana ny tadindokanga eo amin’ny fanomezana baiko sy fanatanterahana izany baiko izany.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *