Mialohan’ny hamoahana amin’ny fomba ofisialy ny Mpianatra ho Polisy eto anivon’ny Sekoly « Ecole Nationale des Inspecteurs et Agents de Police Antsirabe » dia tsy maintsy miatrika fanadinana farany izy ireo mba hahafahana manombana ny fahaizany. Nanomboka ny Alatsinainy 01 Aogositra 2022 izany fanadinana farany ho an’ny Andiany « AINA » izany, ary hifarana androany Alakamisy 04 Aogositra 2022.
Ny isan’ny Mpianatra miatrika izany fanadinana izany dia 1.197 ka mitsinjara ho toy izao : 199 Mpianatra ho «Inspecteurs de Police » ary 998 Mpianatra ho « Agents de Police ».
Ny fizotran’izany fanadinana izany dia manaraka tanteraka ny fenitra amin’ny maha fanadinam-panjakana azy.
Taranja an-tsoratra miisa 16 no anadinana ireto Mpianatra hisehatra eo amin’ny asan’ny Polisim-pirenena ireto. Marihina moa fa mbola hiatrika ny fanadinana ara-panatanjahan-tena ihany koa izy ireo toy « Self Défense Policière ».

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *